Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Teny mialoha - Famporisihana hibebaka - Fahitana: ny soavaly amam-pitaingina azy. |
Toko 2
| Fahitana ny tandroka efatra sy ny mpanefy efatra - Ny lehilahy mitondra famolaina - Ny halehiben'i Jerosalema, renivohitry ny firenena fonenan'Iaveh. |
Toko 3
| Jesoasy, mpisorona lehibe, nampangain'i Satana, fa arovan'Andriamanitra kosa, sy tafiany fitafiana madio, ary ilazany ny hahatongavan'ilay Solofo, mpanompony. |
Toko 4
| Fahitana an'ilay fanaovan-jiro sy ny hazo oliva roa - Fanoharana ny lela fanaovan-jiro fito - Fivilian-kevitra ny amin'ny anjara raharahan'i Zorobabela - Fanoharana ny hazo oliva roa. |
Toko 5
| Fahitana an'ilay horonan-taratasy manidina - Fahitana ny Efah. |
Toko 6
| Fahitana an'ireo kalesy efatra nitety ny tany - Fanasatroham-boninahitra ny mpisorona lehibe. |
Toko 7
| Fanontanian'ireo iraka avy any Betela, ny amin'ny fifadian-kanina hotandremana - Ny navalin'Iaveh: tsy misy hasiny ny fifadian-kanina raha tsy eo ny fibebahana marina amim-panetren-tena. |
Toko 8
| Tia an'i Siona Andriamanitra, ka niverina tamin'io tany io izy - Hody ao koa ny vahoakany - Fiovana hita sahady hatrizay nanohizana ny fanaovana ny tempoly; zavatra hotandremana - Fiafaran'ny fisaonana - Fizoran'ny firenena ho any Jerosalema. |
Toko 9
| Fikapohana ny firenena manodidina an'i Palestina - Famonjena an'i Jodà - Ilay mpanjaka manetry tena sy tia fiadanana - Nomen'Iaveh fandresena ny vahoakany. |
Toko 10
| Ny fanompoan-tsampy sy ny mpifehy ratsy no nampidi-doza tamin'ny vahoaka taloha - Hofaizin'Iaveh ireo; ary Jodà sy Efraima kosa hoambininy amin'ny soa rehetra. |
Toko 11
| Ny fanasaziana ny mpifehy ratsy - Ny mpiandry ondry tsara - Ditran'ny ondry; koa notapahan'ny mpiandry ondry ny tehiny voalohany sy ny faharoa, dia nandrasan'ny mpiandry ondry hafa ny ondry. |
Toko 12
| Fandresen'Israely sy fiadanany - Sasa-poana ny firenena manao fahirano an'i Jerosalema, fa resy izy ireo - Fiarovan'Andriamanitra ny tany, sy ny tanàna - Mampidina ny fanahin'ny fahasoavana amam-pifonana amin'ny tanàna, dia miverina aminy izy. |
Toko 13
| Tsy misy sampy intsony na mpaminany sandoka - Voakapoka ny mpiandry. |
Toko 14
| Fanamelohana ny mpanompo sampy, sy fanamasinana an'i Jerosalema - Nasian'ny firenena Jerosalema, ka lasan-ko babo ny antsasaky ny tanàna - Vonjen'Iaveh ny olony sisa, sady anaovany làlana handosirana; andro safatsiroa - Fiadanan'ny tany - Faharavan'ny firenena fahavalo sasany; fibebahan'ny sasany - Fahamasinan'i Jerosalema. |