| Toko | Votoatiny |
| Toko 1
| Ny nahazoana miandalandalana ny tany Kanaana. |
| Toko 2
| Faninian'ny anjely an'Israely - Fivadihan'Israely tamin'Iaveh - Ny firenena hafa tafajanona tao anilan'Israely. |
| Toko 3
| Ny firenena tafajanona tao Kanaana hizahan-toetra an'Israely - Otoniela mpitsara miaro an'Israely amin'i Kozana-Rasataima - Aoda mpitsara miaro an'Israely amin'i Eglona. |
| Toko 4
| Deborà sy Baràka manafaka an'Israely tamin'i Jabìna sy Sisarà. |
| Toko 5
| Tonon-kiran'i Deborà. |
| Toko 6
| Ny nampahorian'ny Madianita an'Israely - Fiantsoan'Andriamanitra an'i Jedeona. |
| Toko 7
| Fiomanana hiady - Fandresen'i Jedeona. |
| Toko 8
| Fanenjehana ny Madianita tany an-dafin'i Jordany - Asa sasany nataon'i Jedeona - Fitsarany sy fahafatesany. |
| Toko 9
| Ny namonoana ny zanak'i Jedeona - Ny niantsoana an'i Abimeleka ho mpanjaka tao Sikema - Ny fanoharana nataon'i Joatama - Ny famaizana ny tao Sikema sy Abimeleka. |
| Toko 10
| Tolà sy Jaira, mpitsara - Israely resin'ny Amonita. |
| Toko 11
| Jefte - Ny fiantsoana azy - Ny fifamaliany tamin'ny Amonita - Ny voadiny - Ny fandreseny - Ny fanefany ny voadiny. |
| Toko 12
| Ady tamin'i Efraima sy Israely - Fahafatesan'i Jefte - Abesàna-Ahialona-Abdòna. |
| Toko 13
| Ny nahaterahan'i Samsona. |
| Toko 14
| Voalohany sy fanindroany nanehoan'i Samsona ny heriny - Fanambadiany- Ankamantatra nataony. |
| Toko 15
| Ny namelezan'i Samsona ny Filistina fanintelony sy faninefany. |
| Toko 16
| Samsona sy Dalilà - Faharesena sy fahafatesan'i Samsona. |
| Toko 17
| Ny fivavahan-dison'i Mikasy tany Betleema. |
| Toko 18
| Ny namindrana ny fivavahan-dison'i Mikasy ho any Laïsa-Dana. |
| Toko 19
| Ny heloka nataon'i Gabaà. |
| Toko 20
| Ny adin'ny fokon'Israely tamin'i Benjamina. |
| Toko 21
| Fananganana ny fokon'i Benjamina indray. |