Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Taratasy roa nampitondrain'ny Jody ao Jerosalema ho an'ireo rahalahiny any Ejipta - Fiarahabana - Ny nahafatesan'i Antiokosa - Ny nanavaozana ny afo masina. |
Toko 2
| Ny nanafenan'i Jeremia ny tabernakla, ny fiara, ny otely fandoroan-java-manitra - Fanafohezana ny tantara nalahatr'i Jasona. |
Toko 3
| Oniasa mpisorona masina nahazo fiarovana mahagaga ny rakitry ny tempoly, tsy ho lasan'i Heliodora irak'i Seleokosa - Ampangain'i Simona izy, ka mangataka fitsarana any amin'ny mpanjaka. |
Toko 4
| Oniasa miampanga an'i Simona - Misazoka ny raharahan'ny mpisorona lehibe Jasona, ary izy indray nosongonan'i Menelasa. |
Toko 5
| Fanenjehana nataon'i Antiokosa. |
Toko 6
| Ny natao hampiditra ny fomba greka amin'i Jerosalema sy ny manodidina azy - Ny namonoana an'i Eleazara noho ny firaiketam-pony amin'ny lalàna. |
Toko 7
| Ny namonoana azy fito mirahalahy sy ny reniny noho ny firaiketam-pony tamin'ny lalana. |
Toko 8
| Jodasa Makabeo nanomboka ny ady masina, ka nandresy an'i Nikanora aloha, dia Timote sy Bakidesa koa; samy nankalazaina tao Jerosalema ireo fandresena ireo. |
Toko 9
| Antiokosa voan'aretina mahatsiravina, dia maty tany Persa. |
Toko 10
| Fanadiovana ny tempoly - Ny nandresen'i Makabeo ny Idomeana sy Timoteo. |
Toko 11
| Manafika an'i Jodea Lisiasa, ka resy, dia manao fanekem-pihavanana amin'ny Jody - Taratasin'i Lisiasa sy Eopatora ary ny Romana. |
Toko 12
| Avy namay an'i Jope sy Jamnia Jodasa dia nandresy ny Arabeo, sy naka tanàna maro tany Galaada, izay nandreseny an'i Timoteo; nanaraka izany nandresy an'i Gorjiasa izy sy nampanao sorona ho an'ny maty. |
Toko 13
| Antiokosa sy Lisiasa manafika an'i Jodea - Ny namonoana an'i Menelasa - Ny nanaovana fahirano an'i Betsora - Fanekem-pihavanan'i Antiokosa tamin'i Makabeo. |
Toko 14
| Nirahina ho any Jodea araka ny famporisihan'i Alsima Nikanora, mody nisakaiza tamin'i Jodasa kanjo nitady hisambotra azy, araka ny didin'ny mpanjaka, sy nandrahona hamely ny tempoly, ary naniraka hisambotra an-Drazisa izay namono tena. |
Toko 15
| Teny fanevatevana an'Andriamanitra nataon'i Nikanora - Fisehoan'i Oniasa sy Jeremia - Ny nandresena an'i Nikanora - Fanokanana fety fahatsiarovana amin'ny 13 Adara. |