Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Sasin-teny - Fara-fihaonan'ny Tompo tamin'ny Apostoly - Ny niakarany any an-danitra - Ny nifidianana olona hisolo an'i Jodasy. |
Toko 2
| Ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apostoly - Ny toriteny voalohany nataon'i Piera - Olona telo arivo no natao batemy - Ny toe-piainan'ny kristianina voalohany. |
Toko 3
| Ny nanasitranan'i Piera ilay lehilahy malemy tongotra - Ny toritenin'i Piera. |
Toko 4
| Ny nisamborana an'i Piera sy Joany ary ny nanadinan'ny lehibe azy - Ny nandraran'ny Jody ny Apostoly tsy hitory an'i Jesoa - Ny vavaka nataon'ny kristianina - Ny toetra masina nataony. |
Toko 5
| Ny amin'i Anania sy Safira - Mitombo isa ny mpino - Ny nanaovana ny Apostoly rehetra tao an-tranomaizina sy nanafahan'ny anjely azy - Ny nanadinan'ny Sanedrina azy sy ny valy nataon'i Piera. |
Toko 6
| Ny nifidianana diakra fito lahy - Ny nanaovan'i Etiena fahagagana lehibe sy ny niampangana azy. |
Toko 7
| Ny laha-teny nataon'i Etiena sy ny namonoana azy. |
Toko 8
| Ny Eglizy enjehina - Filipo tao Samaria - Ilay Simona mpamoha angatra - Ny nanaovan'i Filipo batemy ilay manamboninahitr'i Kandasa mpanjakavavy. |
Toko 9
| Ny nibebahan'i Saoly - Ny nanasitranan'i Piera an'i Enea sy ny nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty. |
Toko 10
| Ny nisehoan'ny anjely tamin'i Kornely - Ny tsindrimandrin'i Piera - Piera tao amin'i Kornely - Ny nilazany ny amin'i Jesoa - Ny nidinan'ny Fanahy Masina. |
Toko 11
| Ny nilazan'i Piera ny tsy maintsy handraisana ny jentily - Ny nidiran'ny fivavahana tany Antiokia - Barnabe sy Saoly. |
Toko 12
| Ny nanafahan'ny Anjely an'i Piera tamin'ny tranomaizina - Ny nikapohan'Andriamanitra an'i Heroda. |
Toko 13
| Ny nankanesan'i Piera sy Barnabe tany amin'ny jentily - Ny nanjò an'i Elimasy mpamoha angatra - Ny nitorian'i Paoly tany Antiokia any Pisidia - Ny nibebahan'ny jentily sy ny nikiribibian'ny Jody. |
Toko 14
| Paoly sy Barnabe tao Ikonioma sy Listra - Ny nitoriany tamin'ny tanàna maro, sy niverenany tany Antiokia. |
Toko 15
| Ady hevitra ny amin'ny famorana - Fivoriana lehibe tao Jerosalema. |
Toko 16
| Ny nitondran'i Paoly an'i Timote - Ny niantsoan'Andriamanitra azy hankany Masedonia - Ny nataon'i Paoly tao Filipy - Ny nanaovana azy sy Silasy tao an-tranomaizina - Ny fahagagana nanafahana azy. |
Toko 17
| Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy tany Berea - Paoly tany Atena. |
Toko 18
| Paoly tany Korinta sy Efezy - Ny nitorian'i Apolo tany Efezy. |
Toko 19
| Paoly tany Efezy - Ny fandrosoan'ny Eglizy - Ireo Jody mpandroaka demony nasian'ny demony - Ny nandoroana ny bokin'ny mpamoha angatra - Fanenjehana. |
Toko 20
| Paoly mankany Masedonia, sy Gresa - Ny nananganan'i Paoly an'i Eotika tamin'ny maty tany Troasy - Ny nanaovany veloma tany Mileto ny Pretra avy any Efezy. |
Toko 21
| Ny diany nankany Jerosalema - Ny naminanian'i Agabosa izay hanjo azy - Ny nandraisan'ny mpino azy tany Jerosalema - Ny nisamborana azy tao an-tempoly - Ny nanafahana azy. |
Toko 22
| Ny nandaharany teny tamin'ny Jody nilaza ny nibebahany, sy ny nanirahan'ny Tompo azy ho any amin'ny jentily - Ny nisafoahan'ny Jody taminy. |
Toko 23
| Ny nandaharan'i Paoly teo anatrehan'ny Sanedrina - Ny niraisan'ny Jody tetika hamono azy - Ny nitondrana azy ho any Sezarea. |
Toko 24
| Ny niampangana azy teo anatrehan'i Félix, sy ny valy nataony - Ny nihainoan'i Félix mivady azy. |
Toko 25
| Paoly teo anatrehan'i Festosa - Ny nangatahany hotsarain'i Sezara - Ny resak'i Festosa sy Agripà mpanjaka - Paoly teo anatrehan'i Agripà. |
Toko 26
| Paoly teo anatrehan'i Agripà sy Festosa - Ny nilazany ny nibebahany - Ny nieken'izy ireo ny tsy ananan'i Paoly tsiny. |
Toko 27
| Ny dian'i Paoly nankany Roma - Ny nahatongavany tany Kereta - Ny nanjò teny ambonin'ny ranomasina - Ny naminanian'i Paoly fa tsy haninona ny mpiantsambo rehetra - Ny nahatongavany tany Malta. |
Toko 28
| Paoly tao Malta - Ny fahagagana nataony tao - Ny diany nakany Roma - Ny nihaonany tamin'ny Jody tao - Ny nipetrahany tao roa taona. |