| Toko | Votoatiny |
| Toko 1
| Ny toritenin'i Joany - Jeso-Kristy atao batemy sy alain'ny demony fanahy - Ny niantsoan'i Jeso ny mpianany voalohany - Ny nampianaran'i Jeso tao amin'ny sinagoga ary ny nandroahany demony ary nanasitranany marary. |
| Toko 2
| Ny nahasitranan'i Jeso ilay lehilahy malemy - Ny niantsoana an'i Matio - Ny fifadian-kanina - Ny amin'ny sabata. |
| Toko 3
| Jeso nanasitrana ilay lehilahy maty tànana sy ny marary hafa koa - Ny nanendren'i Jeso ny Apostoly - Jeso mamaly ny mpanora-dalàna - Iza no reniny sy rahalahiny? |
| Toko 4
| Ny fanoharana amin'ny vary afafy - Ny fanoharana amin'ny jiro sy ny fanoharana hafa maro - Tony ny tafio-drivotra. |
| Toko 5
| Ny demony voaroaka ho ao amin'ny kisoa - Ilay vehivavy nitsi-drà - Ny zanakavavin'i Jaïra. |
| Toko 6
| Jeso tsy enin-kaja tao amin'ny taniny - Ny nanirahan'i Jeso ny Apostoly - Ny nahafatesan'i Joany Batista - Jeso mampitombo ny mofo dimy, sy mandeha eny ambony ranomasina. |
| Toko 7
| Ny amin'ny fanaon-drazana - Ilay vehivavy kananeana - Ilay lehilahy sady marenina no moana. |
| Toko 8
| Ny nampitomboan'i Jeso ny mofo fito - Ny namaliany ny Farisiana - Ilay jamba tao Betsaida - Piera nieky an'i Jeso ho Kristy - Ny fahafoizan-tena. |
| Toko 9
| Ny niovan'i Jeso-Kristy tarehy - Ilay zazalahy azon'ny demony moana - Ny nilazan'i Jeso ny hijaliany - Ny amin'ny fanetren-tena - ny fanafintohinana. |
| Toko 10
| Tsy azo ravana ny fanambadiana - Jeso sy ny zazakely - Ilay zatovo nanan-karena - Ny nilazan'i Jeso fanintelony ny hijaliany - Ny fangatahan'ny zanak'i Zebede - Bartime, jamba tao Jerikao. |
| Toko 11
| Ny nidiran'i Jeso tao Jerosalema - Ny aviavy voaozona - Ireo mpivarotra tao an-tempoly voaroaka. |
| Toko 12
| Ny fanoharana amin'ny mpiasa tanim-boaloboka ratsy fanahy - Ny fandoavan-ketra ho an'i Sezara - Ny hitsanganan'ny maty - Izay didy ambony indrindra - Ny faharatsian'ny mpanora-dalàna - Ny rakitr'ilay vehivavy mpitondratena. |
| Toko 13
| Ny handravana an'i Jerosalema sy ny hanenjehana ny Apostoly - Ny fametavetana lozan-tany - Ny nihavian'ny Tompo. |
| Toko 14
| Jeso tao an-tranon'i Simona boka - Ny Paka farany - Ny namoronan'i Jeso ny Eokaristia - Jeso tao Getsemany - Jeso voasambotra - Jeso tao amin'ny mpisorona lehibe - Piera nandà azy. |
| Toko 15
| Jeso teo anatrehan'i Pilaty - Ny nanamelohana azy - Jeso voalatsa sy voahombo tamin'ny hazo fijaliana - Ny nahafatesany - Jeso nalevina. |
| Toko 16
| Ireo vehivavy tao amin'ny fasana - Ny nisehoan'i Jeso tamin'i Madelena - Ny nisehoan'i Jeso tamin'ny Apostoly - Ny niakarany tany an-danitra. |