Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Fiarahabana - Fisaorana an'Andriamanitra - Aoka hofoanana ny fisarahan-kevitra - Lavina ny fahendren'izao tontolo izao - Ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra. |
Toko 2
| Ny fomba fitory tenin'i Paoly tao Korinto - Ny olona ara-batana sy ny olona ara-panahy. |
Toko 3
| Mbola ara-batana ny Korintiana - Ny Kristy no hany fanorenana. |
Toko 4
| An'Andriamanitra ny fitsarana - Izy Paoly manetry tena - Fananarana ny zanany. |
Toko 5
| Teneniny mafy ny Korintiana, fa nisy fanambadiana olon-tsy heny tao aminy - Olona sasany tsy tokony hiarahana. |
Toko 6
| Tsy tokony hiady amin'ny fitsarana tsy kristianina - Ny tsy mahazo ny fanjakan'Andriamanitra - Ny maharatsy ny fijangajangana. |
Toko 7
| Tsara sy mety ny fanambadiana - Tsy azo ravana ny fanambadiana - Samia mitana ny toetrany - Ny maha-ambony ny faha-virjiniana. |
Toko 8
| Ny amin'ny hena naterina tamin'ny sampy - Tsy tokony hanafintohina ny malemy. |
Toko 9
| Ny rariny sy hitsiny ho an'ny Apostoly - Ny amin'ny famolahan-tena. |
Toko 10
| Anatra ho an'ny mpino ankehitriny ny nanjò ny sasany fahiny - Fifadiana ny sakafo fomban-tsampy - Fitsipika sasany harahina. |
Toko 11
| Fanao mety ho an'ny vehivavy ny misaron-doha ao am-piangonana - Misy tsy mety ny nanaovan'ny Korintiana ny fanasan'ny Tompo - Ny nanaovan'ny Tompo ny Eokaristia. |
Toko 12
| Ny amin'ny fanomezam-pahasoavana samihafa - Tena iray isika, ka tsy maintsy mifanampy. |
Toko 13
| Ny fitiavana no fanomezana ambony indrindra. |
Toko 14
| Ny amin'ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra - Ilaina kokoa ny faminaniana sy fandikan-teny - Fitsipika harahina raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, na maminany - Ny amin'ny vehivavy ao am-piangonana. |
Toko 15
| Ny amin'ny fitsanganan'ny maty - Lazainy aloha ny nitsanganan'ny Kristy - Raha nitsangana ny Kristy, dia misy tokoa ny fitsanganan'ny maty - Hain'Andriamanitra atao ny manangana ny maty - Ny ho toetr'izay tafatsangana. |
Toko 16
| Ny amin'ny famoriam-bola - Mikasa ho any Korinto i Paoly - Teny farany sy fanaovam-beloma. |