Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Ny fahadiovam-pitondran-tena no ahazoam-pahendrena - Ny fahotana mamarina amin'ny famaizana amam-pahafatesana. |
Toko 2
| Foto-kevitry ny ratsy fanahy, momba ny anjaran'ny olombelona - Valin'izany foto-keviny izany. |
Toko 3
| Misy valiny ny fijalian'ny marina - Sazy mihatra amin'ny ratsy fanahy. |
Toko 4
| Ny amin'ny marina malady maty sy ny ratsy ela velona. |
Toko 5
| Ny mahasamihafa ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, rahefa maty; hohanin'ny nenina avy amin'ny fieritreretany, ny ratsy fanahy - Fitsaran'Andriamanitra ny marina sy ny meloka. |
Toko 6
| Aoka hitady ny fahendrena, ny mpanapaka - Mora hita izy - Mampahazo fanjakana izy - Toetry ny fahendrena. |
Toko 7
| Salomona dia olombelona toy ny hafa rehetra ihany; nangataka ny fahendrena - Tonga miaraka amin'ny fahendrena koa ny soa rehetra, ny fitiavana an'Andriamanitra, mbamin'ny fahalalana maro - Toetry ny fahendrena, fombany, vokany. |
Toko 8
| Ny antony nitadiavan'i Salomona ny fahendrena. |
Toko 9
| Vavak'i Salomona nangataka ny fahendrena. |
Toko 10
| Fanehoana ny fahendrena, amin'ny tantaran'Israely - Mamonjy ny tsara sy mamay ny ratsy ny fahendrena - Anjaran'ny fahendrena amin'ny fitarihana ny vahoakan'Andriamanitra, hatramin'i Adama ka hatramin'i Moizy. |
Toko 11
| Anjaran'ny fahendrena amin'ny famaizana ny fahavalon'Andriamanitra, ny Ejipsiana. |
Toko 12
| Anjaran'ny fahendrena amin'ny famaizana ny fahavalon'Andriamanitra - Ny Kananeana. |
Toko 13
| Ny niandohan'ny fanompoan-tsampy: Fivavahana amin'ny zavatra vita-Nanahary - Fivavahana amin'ny sary na sampy - Vokatra sy sazin'ny fanompoan-tsampy. |
Toko 14
| |
Toko 15
| Israely voasodokan'ny sampy - Meloka ny mpanao sampy - Adala izay manompo sampy. |
Toko 16
| Entin'Andriamanitra ny biby sy ny zavatra hanasaziany ny Ejipsiana izay nivavaka tamin'ireny; fa hampahita soa ny Israelita kosa. |
Toko 17
| Ny aizim-pito namely ny Ejipsiana - Ny andry afo, nanasoa ny Hebrio. |
Toko 18
| Ny loza tamin'ny voalohan-teraka. |
Toko 19
| Ny Israelita sy ny Ejipsiana teo amin'ny ranomasina Mena - Hamafin'ny fon'ny Ejipsiana tamin'ny Israelita - Ny Ejipsiana sy ny mponina tao Sodoma - Famaranana. |