Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Mpanjaka

TokoVotoatiny
Toko 1 Ny fahanteran'i Davida, Abisaga - Teti-dratsin'i Adoniasa - Ny nanendren'i Davida an'i Salomona ho mpanjaka.
Toko 2 Fara hafatr'i Davida tamin'i Salomona - Ny nahafatesan'i Davida - Fisehoan'i Salomona - Sazin'i Adoniasa - Fanonganana an'i Abiatara - Sazin'i Joaba sy Semeia.
Toko 3 Fanambadian'i Salomona - Sorona sy fahitana tao Gabaona - Fitsarana nataon'i Salomona.
Toko 4 Ny lohandohan'ny mpanao fanjakan'i Salomona.
Toko 5 Fahefana amam-boninahitr'i Salomona - Fahendreny - Fihavanany amin'i Hirama - Fiomanana amin'ny fanorenana ny Tempoly.
Toko 6 Ny nanaovana ny tempoly.
Toko 7 Ny nanaovan'i Salomona ny lapany sy ny fanaky ny tempoly.
Toko 8 Ny nitokanana ny tempoly - Vavaka nataon'i Salomona.
Toko 9 Valim-bavak'i Salomona tamin'Iaveh - Ny tanàna nomena an'i Hirama - Vohitra naoriny - Fanompoana nampanaoviny - Fiondranana any Ofira.
Toko 10 Ny namangian'ny mpanjakavavin'i Sabà an'i Salomona - Ny haren'i Salomona.
Toko 11 Fampirafesana amam-panompoan-tsampy nataon'i Salomona - Ny fahavalony - Ny nahafatesany.
Toko 12 Ny nisarahan'ny fanjakana: Roboama, mpanjakan'i Jodà, Jeroboama, mpanjakan'Israely - Ny fisaraham-pihavanana: Betela.
Toko 13 Fanozonana ny otely ao Betela - Olon'Andriamanitra tsy nanaiky ka matin'ny liona.
Toko 14 Tenin'Iaveh fanamelohana an'i Jeroboama - Ny nahafatesan'i Jeroboama - Ny fanjakan-dRoboama - Tafik'i Sesaka mpanjakan'i Ejipta.
Toko 15 Abiama sy Asà mpanjakan'i Jodà - Nadaba sy Baasa mpanjakan'Israely.
Toko 16 Baasà, Elà, Zambrì, ary Amrì, mpanjakan'Israely - Fiandohan'i Akaba.
Toko 17 Elia teo anatrehan'i Akaba milaza fa hihantona ny andro - Goaika no manatitra hanina ho azy - Tao amin-dravehivavy mpitondratena, tao Srefta.
Toko 18 Ny nihaonan'i Elia tamin'i Akaba, sy nandreseny lahatra ny mpaminanin'i Baala.
Toko 19 Ny nandosiran'i Elia tany an'efitra, tany an-tendrombohitra Horeba - Ny niantsoana an'i Elisea ho mpaminany handimby azy.
Toko 20 Resin'i Akaba indroa, Benadada, mpanjakan'i Siria.
Toko 21 Ny tanim-boalobok'i Nabota - Helok'i Akaba sy Jezabela.
Toko 22 Ny niarahan'i Akaba sy Josafata niady tamin'ny Siriana - Ny nahafatesan'i Akaba sy Josafata ny mpanjakan'i Jodà - Okoziasa mpanjakan'Israely.