| Toko | Votoatiny |
| Toko 1
| Ny nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo - Ny nanambaran'i Joany an'i Jeso - Ny nahazahoan'i Jeso ny mpianany voalohany. |
| Toko 2
| Ny nanovàn'i Jeso ny rano ho divay - Ny nandroahan'i Jeso ny mpivarotra tao an-tempoly. |
| Toko 3
| Ny resak'i Jeso tamin'i Nikodema - Joany manambara an'i Jeso indray. |
| Toko 4
| Jeso sy ilay vehivavy Samaritana - Ilay zanakalahin'ny manamboninahitra tao Kafarnaoma. |
| Toko 5
| Ilay malemy tao Betesdà - Tafintohina ny Jody - Ny nanoheran'i Jeso ny Jody - Ny itoviany sy iarahany miasa amin'ny Rainy - Ny asa ataony no manambara azy. |
| Toko 6
| Ny nampitomboan'i Jeso ny mofo dimy - Ny mofon'aina - Ny nandehanany teny ambonin'ny ranomasina - Izay tena mofo avy any an-danitra - Izy Jeso no ilay tena mofo avy any an-danitra. |
| Toko 7
| Ny niakaran'i Jeso tao Jerosalema tamin'ny fetin'ny Tranolay - Ny nampianarany tao an-tempoly - Ny nitadiavan'ny loholona hisambotra azy - Ny tsy fifanarahan'ny olona hevitra ny aminy. |
| Toko 8
| Ilay vehivavy azo nijangajanga - Jeso milaza ny tenany ho fahazavan'izao tontolo izao - Ho faty amin'ny fahotany ny Farisiana - Izay tena zanak'i Abrahama - Izay tena zanak'Andriamanitra - Jeso milaza ny tenany ho Zanak'Andriamanitra. |
| Toko 9
| Ny nampahiratan'i Jeso an'ilay teraka jamba. |
| Toko 10
| Jeso no mpiandry ondry tsara - Manao ny tenany ho iray amin'ny Rainy Jeso, ka saika hitora-bato azy ny Jody. |
| Toko 11
| Lazara natsangana tamin'ny maty. |
| Toko 12
| Ny nanosoran'i Maria an'i Jeso tao Betania - Ny niakaran'i Jeso tany Jerosalema - Ny nahajamban'ny Jody - Ny ninoan'ny sasany. |
| Toko 13
| Ny nanasan'i Jeso ny tongotry ny mpianany - Ny nanondroan'i Jeso izay hamadika azy sy ny nialan'i Jodasy - Ny didy vaovao. |
| Toko 14
| Jeso dia làlana sy fahamarinana ary fiainana - Izy sy ny Ray dia iray ihany - Hohenoiny ny fangatahan'ny mpianany - Homeny ny Fanahy Masina. |
| Toko 15
| Ny foto-boaloboka sy ny rantsany - Ny fifankatiavana - Halan'izao tontolo izao ny mpianatr'i Jeso. |
| Toko 16
| Hoenjehina ny mpianatr'i Jeso - Ny Fanahy Masina hampianatra ny marina rehetra - Ny alahelo hody hafaliana - Andriamanitra no tsy maintsy itokiana. |
| Toko 17
| Fivavahana nataon'i Jeso-Kristy. |
| Toko 18
| Ny nisamborana an'i Jeso - Jeso eo anatrehan'i Ana sy Kaifa - Ny nandavan'i Piera azy - Ny nitsaran'i Pilaty azy. |
| Toko 19
| Jeso kapohina sy satrohana fehiloha tsilo ary fantsihana amin'ny hazo fijaliana. |
| Toko 20
| Madelena, sy Piera ary Joany teo amin'ny fasana - Ny nisehoan'i Jeso tamin'i Madelena sy tamin'ny Apostoly. |
| Toko 21
| Ny nisehoan'i Jeso teo amin'ny ranomasin'i Tiberiady. |