Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Ny nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo - Ny nanambaran'i Joany an'i Jesoa - Ny nahazahoan'i Jesoa ny mpianany voalohany. |
Toko 2
| Ny nanovàn'i Jesoa ny rano ho divay - Ny nandroahan'i Jesoa ny mpivarotra tao an-tempoly. |
Toko 3
| Ny resak'i Jesoa tamin'i Nikodema - Joany manambara an'i Jesoa indray. |
Toko 4
| Jesoa sy ilay vehivavy Samaritana - Ilay zanakalahin'ny manamboninahitra tao Kafarnaoma. |
Toko 5
| Ilay malemy tao Betesdà - Tafintohina ny Jody - Ny nanoheran'i Jesoa ny Jody - Ny itoviany sy iarahany miasa amin'ny Rainy - Ny asa ataony no manambara azy. |
Toko 6
| Ny nampitomboan'i Jesoa ny mofo dimy - Ny mofon'aina - Ny nandehanany teny ambonin'ny ranomasina - Izay tena mofo avy any an-danitra - Izy Jesoa no ilay tena mofo avy any an-danitra. |
Toko 7
| Ny niakaran'i Jesoa tao Jerosalema tamin'ny fetin'ny Tranolay - Ny nampianarany tao an-tempoly - Ny nitadiavan'ny loholona hisambotra azy - Ny tsy fifanarahan'ny olona hevitra ny aminy. |
Toko 8
| Ilay vehivavy azo nijangajanga - Jesoa milaza ny tenany ho fahazavan'izao tontolo izao - Ho faty amin'ny fahotany ny Farisiana - Izay tena zanak'i Abrahama - Izay tena zanak'Andriamanitra - Jesoa milaza ny tenany ho Zanak'Andriamanitra. |
Toko 9
| Ny nampahiratan'i Jesoa an'ilay teraka jamba. |
Toko 10
| Jesoa no mpiandry ondry tsara - Manao ny tenany ho iray amin'ny Rainy Jesoa, ka saika hitora-bato azy ny Jody. |
Toko 11
| Lazara natsangana tamin'ny maty. |
Toko 12
| Ny nanosoran'i Maria an'i Jesoa tao Betania - Ny niakaran'i Jesoa tany Jerosalema - Ny nahajamban'ny Jody - Ny ninoan'ny sasany. |
Toko 13
| Ny nanasan'i Jesoa ny tongotry ny mpianany - Ny nanondroan'i Jesoa izay hamadika azy sy ny nialan'i Jodasy - Ny didy vaovao. |
Toko 14
| Jesoa dia làlana sy fahamarinana ary fiainana - Izy sy ny Ray dia iray ihany - Hohenoiny ny fangatahan'ny mpianany - Homeny ny Fanahy Masina. |
Toko 15
| Ny foto-boaloboka sy ny rantsany - Ny fifankatiavana - Halan'izao tontolo izao ny mpianatr'i Jesoa. |
Toko 16
| Hoenjehina ny mpianatr'i Jesoa - Ny Fanahy Masina hampianatra ny marina rehetra - Ny alahelo hody hafaliana - Andriamanitra no tsy maintsy itokiana. |
Toko 17
| Fivavahana nataon'i Jesoa-Kristy. |
Toko 18
| Ny nisamborana an'i Jesoa - Jesoa eo anatrehan'i Ana sy Kaifa - Ny nandavan'i Piera azy - Ny nitsaran'i Pilaty azy. |
Toko 19
| Jesoa kapohina sy satrohana fehiloha tsilo ary fantsihana amin'ny hazo fijaliana. |
Toko 20
| Madelena, sy Piera ary Joany teo amin'ny fasana - Ny nisehoan'i Jesoa tamin'i Madelena sy tamin'ny Apostoly. |
Toko 21
| Ny nisehoan'i Jesoa teo amin'ny ranomasin'i Tiberiady. |