Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Fitomboan'ny zanak'Israely tany Ejipta sy fampahoriana azy. |
Toko 2
| Ny nahaterahan'i Moizy - Ny nandosirany tany Madiana. |
Toko 3
| Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Moizy. |
Toko 4
| Moizy irahin'Andriamanitra hamonjy ny zanak'Israely - Miverina any Ejipta izy. |
Toko 5
| Moizy sy Aarona nihaona voalohany tamin'i Faraona. |
Toko 6
| Filazana fanindroany ny niantsoan'Andriamanitra an'i Moizy - Firazanan'i Moizy sy Aarona - Ny famantarana nataony. |
Toko 7
| Ny tehina manjary bibilava - Ny loza voalohany - Ny rano manjary rà. |
Toko 8
| Ny loza faharoa, ny sahona - Fahatelo, ny moka - Fahefatra, ny lalibe. |
Toko 9
| Ny loza fahadimy, areti-mandripaka ny biby rehetra - Fahenina, ny vay - Fahafito, ny havandra. |
Toko 10
| Loza fahavalo, ny valala - Fahasivy, ny aizina. |
Toko 11
| Filazana ny hihavian'ny loza fahafolo. |
Toko 12
| Ny lalàna voalohany momba ny Paka - Ny loza fahafolo, voavono ho faty avokoa ny lahimatoan'i Ejipta. |
Toko 13
| Fanokanana ny lahimatoa ho an'Iaveh - Ny nitondran'Andriamanitra ny zanak'Israely tamin'ny làlan'ny efitra - Ny andry rahona. |
Toko 14
| Ny nivoahan'Israely tany Ejipta - Ny nitany ny ranomasina Mena. |
Toko 15
| Tonon-kiran'i Moizy. |
Toko 16
| Ny papelika sy ny Mana. |
Toko 17
| Dian'ny zanak'Israely hatrany Sina ka hatrany Rafidima - Ny vatolampy nokapohin'i Moizy ka nivoaka rano - Ny nandresena an'i Amaleka. |
Toko 18
| Ny nihaonan'i Moizy sy Jetrao. |
Toko 19
| Ny fanekem-pihavanan'Iaveh amin'Israely - Iaveh teo an-tendrombohitra Sinaia. |
Toko 20
| Famoahana ny lalàna - Ny didy folo - Ny Otely. |
Toko 21
| Lalàna maro samihafa - Sazin'ny heloka sasany. |
Toko 22
| Didy sy sazin'ny heloka sasany. |
Toko 23
| Didy sy fitsipika ary sazin'ny heloka sasany - Fitahiana ho an'izay hitandrina ny fanekena. |
Toko 24
| Famaranana ny fanekena - Moizy tao an-tendrombohitra. |
Toko 25
| Fahafoizan-javatra hanaovana ny Tabernakla - Fanaka momba azy. |
Toko 26
| Ny Tabernakla. |
Toko 27
| Ny otely fanateran-tsorona dorana; sy ny kianjany. |
Toko 28
| Fanamian'ny mpisorona. |
Toko 29
| Fanamasinana ny mpisorona - Ny fisoronana mandrakizay. |
Toko 30
| Ny otely fandorana zava-manitra - Ny vola fandoa, antsasaky ny sikla - Ny diloilo fanosorana - Ny olona voatendry hanao ny tabernakla - Ny fitandremana ny sabata. |
Toko 31
| Ny mpiasa amin'ny Tabernakla - Ny sabata - Ny vato fisaky ny lalàna. |
Toko 32
| Ny zanak'omby volamena. |
Toko 33
| Andriamanitra namela heloka ny vahoakany noho ny fifonan'i Moizy. |
Toko 34
| Voaorina indray ny fanekena - Ny vato fisaka roa nanoratana ny didy folo. |
Toko 35
| Fahafoizan-javatra sy fifidianana mpiasa hanaovana ny tabernakla. |
Toko 36
| Ny nanaovana ny Tabernakla. |
Toko 37
| Ny fanaky ny Tabernakla. |
Toko 38
| Ny momba ny kianjan'ny Tabernakla - Fanisana ny zavatra lany nanaovana azy. |
Toko 39
| Fanamian'ny mpisorona - Fankatoavan'i Moizy ny zavatra natao rehetra. |
Toko 40
| Ny nananganana ny Tabernakla - Nameno azy ny voninahitr'Iaveh. |