Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Tantara

TokoVotoatiny
Toko 1 Tetiaran'ny patriarka hatramin'i Adama ka hatramin'i Noe - Ny zanaka aman-taranak'i Abrahama - Ny zanaka aman-taranak'i Esao.
Toko 2 Ny roa ambin'ny folo lahy, zanak'i Jakoba - Ny taranak'i Jodà.
Toko 3 Ny taranak'i Davida.
Toko 4 Ny taranak'i Jodà sasany - Ny taranak'i Simeona.
Toko 5 Ny tarana-dRobena sy Gada ary Manase sy Aarona.
Toko 6 Taranak'i Levì - Mpihira notendren'i Davida - Tanàna nonenan'ny Levita.
Toko 7 Ny taranak'Isakara, Benjamina, Neftalì, Manase, Efraima ary Asera.
Toko 8 Ny taranak'i Benjamina sasany.
Toko 9 Ny mponina tao Jerosalema.
Toko 10 Ny nahafatesan'i Saola.
Toko 11 Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjaka tany Hebrona - Ny nahazoana an'i Jerosalema - Ny lehilahy maherin'i Davida.
Toko 12 Ny mpiady nomba an'i Davida fony fahavelon'i Saola - Isan'ny mpiady nankany Hebrona, hampanjaka an'i Davida.
Toko 13 Ny namindrana ny fiara tao an-tranon'i Obededoma.
Toko 14 Ny nandresen'i Davida ny Filistina.
Toko 15 Ny namindrana ny fiara ho ao Jerosalema.
Toko 16 Filaharan'ny fanompoam-pivavahana - Hira fiderana.
Toko 17 Nikasa hanao tempoly Davida fa tsy navelan'ny Tompo - Fivavahan'i Davida.
Toko 18 Ny nandresen'i Davida ny Filistina - Mpanao fanjakana tamin'i Davida.
Toko 19 Ady tamin'ny taranak'i Amona mbamin'ireo Siriana niandany taminy.
Toko 20 Ny nahazoana an'i Rabà - Fandresena ny Filistina.
Toko 21 Fanisam-bahoaka - Pesta.
Toko 22 Davida mamonon-javatra hanaovana ny tempoly, ary manafatra an'i Salomona mba hanorina azy.
Toko 23 Ny nanisana ny Levita sy ny rahalahin'izy ireo.
Toko 24 Ny nizarana ny mpisorona ho antokony efatra amby roapolo - Ny lehiben'ny Levita isan-tokony.
Toko 25 Ny nizarana ny mpihira ho antokony efatra amby roapolo.
Toko 26 Ny mpiandry varavarana amin'ny tempoly - Ny raharaha sasany nataon'ny Levita.
Toko 27 Ny tafika antokony roa ambin'ny folo sy ny mpifehy azy avy - Ny lohan'ny firenena roa ambin'ny folo - Ny mpitandrim-pananana sy mpanolo-tsaina an'i Davida.
Toko 28 Hafatr'i Davida momba ny fanaovana ny tempoly.
Toko 29 Zavatra naterin'ny olona an-tsitra-po hanaovana ny tempoly - Vavaka nataon'i Davida - Ny nanandratana an'i Salomona - Ny nahafatesan'i Davida.