Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Joba

TokoVotoatiny
Toko 1 Ny amin'i Joba: toetrany, hareny, fitiavany vavaka, fitsapan'Andriamanitra azy.
Toko 2 Joba nozahan-toetra tamin'ny aretina mahatsiravina nahazo ny tenany - Tsy nivadika tamin'Andriamanitra izy na dia nesoin'ny vavy aza - Ny nahatongavan'ireo sakaizany telo lahy.
Toko 3 Fitarainan'i Joba.
Toko 4 Lahatenin'i Elifaza: Ny ratsy fanahy ihany no voasazy - Tsy misy afa-tsiny eo imason'Andriamanitra.
Toko 5 Tsy ny mitaraina foana, fa ny mihaiky heloka no mety hahitana fiadanana indray.
Toko 6 Ny navalin'i Joba an'i Elifaza: Mafy loatra tsy hita holazaina ny fijaliany - Ny sakaizany tsy mahay mampionona azy - Tsy misy fahotana nataony.
Toko 7 Ratsy ny fiainan'ny olona eto an-tany - Ny hahataperany haingana no irin'i Joba.
Toko 8 Lahatenin'i Baldada: Marina Andriamanitra - Ny ratsy fanahy no levona vetivety foana.
Toko 9 Ny navalin'i Joba an'i Baldada. Tsy maintsy mihaiky heloka eo anatrehan'Andriamanitra, na dia izay manao ny tenany ho marina aza - Tsy manan-tsiny aho, hoy Joba, nefa tsy ahoan'Andriamanitra izany.
Toko 10 Moa faly mikapoka ny tsy manan-tsiny va Andriamanitra? - Homeny andro hiainany kely anie Joba alohan'ny hahafatesany.
Toko 11 Lahatenin'i Sofara: Raha ambaran'Andriamanitra ny fahotan'i Joba dia tsy mifandanja aminy izao sazy mihatra izao - Aoka hanenina izy dia ho voavonjy.
Toko 12 Ny navalin'i Joba an'i Sofara: Fihomehezan'ny sakaizany ny olo-marina - Tsy misy tsy mahalala ny fahefan'Andriamanitra, miseho amin'ny asan-tànany.
Toko 13 Miangatra ireto sakaizan'i Joba ka tsy hankasitrahan'Andriamanitra ny teniny entiny miaro azy - Handahatra amin'ny adiny Joba rahefa voaesotra aminy ny loza manjo azy.
Toko 14 Fohy sady ratsy ny andron'ny olona eto an-tany - Ny maty tsy mba tahaky ny hazo, ka velona indray rahefa maty - Ny fonenan'ny maty tsy hierena vetivety.
Toko 15 Lahatenin'i Elifaza fanindroany: Ny tenin'i Joba ihany no manameloka azy - Mitsangan-kiady amin'Andriamanitra izy nefa tsy misy olona marina eo anatrehany - Tenin'olon-kendry momba ny sazy hihatra amin'ny ratsy fanahy.
Toko 16 Ny navalin'i Joba an'i Elifaza: Foana tsy misy fotony ny tenin'ireo sakaizany - Fa Andriamanitra moa no nanolotra azy tsy manan-tsiny eo an-tànan'ireo - Izy no hanafaka azy.
Toko 17 Tsy mety momba ny ratsy fanahy Andriamanitra - Ny ho faty no anjara tsy azo idifiana.
Toko 18 Lahatenin'i Baldada: Maniny an'i Joba izy - Faharavan'ny ratsy fanahy - Tsy hanam-paramandimby izy.
Toko 19 Ny navalin'i Joba an'i Baldada: Avy amin'Andriamanitra ny fahoriany - Ny sakaizany no nantenainy hangoraka azy amin'ny loza - Diso fanantenana izy - Andriamanitra ihany no hamonjy azy.
Toko 20 Lahatenin'i Sofara: Tsy maharitra ny fandresen'ny ratsy fanahy - Izay norobainy sy izay maminy indrindra tsy misy hoentiny miala eto an-tany - Fa ny loza no misesy mamely azy.
Toko 21 Ny valin'i Joba: Tsia, tsy marina ny hoe: azon-doza mandrakariva ny ratsy fanahy sady hampitovin'ny fahafatesana ny tsara sy ny ratsy - Koa lainga tsara lahatra ny tenin'ireto sakaizany.
Toko 22 Lahatenin'i Elifaza: Ny mahavoasazy an'i Joba dia ny otany sy ny teniny ratsy - Nefa na dia amin'izao izy mbola mahazo mihavana amin'Andriamanitra, ka hahita fiadanana.
Toko 23 Ny navalin'i Joba: Raha azony hiakarana mantsy ny fiketrahan'Andriamanitra! - Fantatry ny Tompo ny fahamarinany; fa misy hevitra tsy tiany hovana.
Toko 24 Misy haratsiana maro samihafa izay toa tsy heverin'Andriamanitra akory.
Toko 25 Lahatenin'i Baldada: Tsy misy olona madio eo anatrehan'Andriamanitra masina indrindra.
Toko 26 Ny navalin'i Joba - Filazana ny fahefana amam-pahendren'Andriamanitra.
Toko 27 Anjaran'ny ratsy fanahy.
Toko 28 Fikarohana ny fahendrena.
Toko 29 Tenin'i Joba - Fiadanan'ny tsara fanahy.
Toko 30 Miteny Joba: mitaraina noho ny fahoriana manjo azy.
Toko 31 Milaza ny tsy fananay tsiny Joba.
Toko 32 Lahateny voalohany nataon'i Elio.
Toko 33 Ny fomba fananaran'Andriamanitra ny olombelona - Ny famindram-pony.
Toko 34 Tenin'i Elio fanindroany: Tenenin'i Elio Joba fa nanao an'Andriamanitra ho tsy marina.
Toko 35 Tenin'i Elio fanintelony: Ny fahamarinan'ny olona tsy azony itokiana valy amin'Andriamanitra - Ny vavaka ombam-panetren-tena ihany no henoin'ny Tompo.
Toko 36 Tenin'i Elio faninefany: Marina Andriamanitra: mamaly ny tsara sy ny tsara araka ny asany; sady mahefa ny zavatra rehetra izy.
Toko 37 Ny tafio-drivotra mampiseho ny fahefan'Andriamanitra.
Toko 38 Ny navalin'ny Tompo an'i Joba, lahateny voalohany: Anontanian'Andriamanitra Joba izay mba anjarany tamin'ny nahariana izao zava-mahagaga rehetra izao.
Toko 39 Zava-mahagaga nataon'Andriamanitra nampiseho ny fahefany amam-pahendreny tsy takatra heverina.
Toko 40 Tenin'ny Tompo fanindroany - Fahosan'ny olona raha heverina ny asa lehibe vitan'Andriamanitra - Behemota.
Toko 41 Fahosan'ny olona, raha heverina ny asa lehibe vitan'Andriamanitra - Leviatana.
Toko 42 Valintenin'i Joba - Tsinin'Iaveh ny sakaizan'i Joba - Averina amin'ny toetrany taloha Joba.