Toko | Votoatiny |
Toko 1
| Fisehoan'Andriamanitra. |
Toko 2
| Irahin'Andriamanitra ny mpaminany hitondra ny teniny amin'ny vahoakany. |
Toko 3
| Ny nanirahan'Andriamanitra ny mpaminany. |
Toko 4
| Mivesatra ny helok'Israely sy Jodà ny mpaminany - Ny mofom-pahoriana - Ny hanina maloto. |
Toko 5
| Ny loza hanjo an'i Jerosalema. |
Toko 6
| Sazin'ny fanompoan-tsampy. |
Toko 7
| Izao no farany - Ny loza safatsiroa. |
Toko 8
| Ny fanompoan-tsampy tao an-tempoly. |
Toko 9
| Avahana izay mifikitra amin'Iaveh - Ny mpanompo sampy haringana. |
Toko 10
| Ny fahitana avy amin'Andriamanitra - Ilaozan'Iaveh ny fitoerany masina - Fanasaziana ny loholona. |
Toko 11
| Ampanantenaina famonjena ireo vaobabo - Ilaozan'Iaveh ny tanàna - Fahataperan'ny fahitana. |
Toko 12
| Filazana ny handosiran'i Sedesiasa mpanjaka sy ny mpanaraka azy - Fanoharana manambara ny fandosirana mahamenatra hanjò ny mpanjaka - Fanazavana ny fanoharana - Famantarana ny fahoriana hanjò ny vahoaka - Mirehareha foana ho afaka amin'ny famelezan'Andriamanitra ny vahoaka; efa antomotra ny hahatanteraka an'izany. |
Toko 13
| Mamely ny mpaminany sandoka. |
Toko 14
| Ny amin'ny mpanompo sampy manontany amin'ny mpaminany - Tsy hahavonjy ny vahoaka meloka ny fivavahan'ny olo-marina eo afovoany. |
Toko 15
| Israely, voaloboka tsy mahavokatra. |
Toko 16
| Ny fahorian'ny vahoakan'Andriamanitra tany am-boalohany - Nangoraka azy Andriamanitra, ka nandray azy ho toy ny vadiny - Ny tsy fahaizany mankasitraka amam-pahoriana lava ankehitriny - Fampodiana azy amin'ny toetrany amam-boninahiny amin'ny ho avy. |
Toko 17
| Fanetrena sy fanandratana ny taranak'i Davida - Fanoharana ny amin'ny voromahery sy ny hazo sedera sy ny voaloboka - Fampiharana ny fanoharana amin'i Sedesiasa - Fampanantenana ny fanjakan'ny Mesia. |
Toko 18
| Izay nataon'ny olona avy ihany, no ananany adidy - Ny fanahy izay manota, ho faty; ny fanahy manana ny marina, ho velona - Ny fahamarinan'ny ray, tsy hahavonjy ny zanany ratsy fanahy - Ny faharatsian'ny ray, tsy hahavery ny zanany tsara fanahy - Ny ratsy fanahy mibebaka, hovonjena - Ny marina miala amin'ny fanaovana ny marina, ho very - Famaranana sy fampiharana. |
Toko 19
| Fitomaniana an'ireo mpanjaka farany amin'i Jodà: Joakaza, Joakima, Joasina, Sedesiasa. |
Toko 20
| Tsy fahamarinan'ny vahoaka sy fahamarinan'Andriamanitra - Fanontanian'ireo loholona sy ny navalin'ny mpaminany an'izany - Tsy fahamarinan'Israely tany Ejipta, tany an'efitra, teo amin'ny tany Kanaana, tamin'ny andron'ity mpaminany - Kapoka valin'izany - Famindram-po amam-panavaozana. |
Toko 21
| Ny sabatry ny Tompo, mamely an'i Jerosalema sy Amona - Fanoharana - Fanazavana ny fanoharana - Nabokodonozora any Jerosalema sy any amin'i Amona. |
Toko 22
| Ny helok'i Jerosalema - Fitarihan-teny - Fahitana indray mijery ny helok'i Jerosalema - Haely any amin'ny firenen-tsamihafa izy - Ny memy fandiovana - Heloky ny mpitarika amam-pitondra. |
Toko 23
| Samaria sy Jerosalema mpirahavavy samy meloka - Fahotana sy famaizana an'i Samaria - Fahotan'i Jerosalema; famaizana azy, tamin'ny Kaldeana - Famisavisana koa ny helok'izy mirahavavy; famaizana azy ireo. |
Toko 24
| Fiandohan'ny fanaovana fahirano an'i Jerosalema - Fanoharana manambara ny hiafaran'ny fahirano - Ny nataon'ny mpaminany amin'ny nahafatesan'ny vadiny. |
Toko 25
| Teny manambara loza hanjo an'i Amona sy Moaba sy Edoma ary ny Filistina. |
Toko 26
| Ny faharavan'i Tira - Filazana ankapobe ny loza hamelezana an'i Tira - Ny ho mpandresy azy - Hotakotaka vokatr'izany - Filazana indray ny loza hamelezana azy. |
Toko 27
| Fitomaniana noho ny faharavan'i Tira - Ny voninahitr'i Tira oharina amin'ny sambo tsara tarehy sady mafy - Ny fivarotan'i Tira amin'izao tontolo izao - Fahasimban'ilay sambo mafy. |
Toko 28
| Teny marin'Andriamanitra mamely ny mpanjakan'i Tira - Ny fiavonavonana - Ny fanasaziana azy - Fitomaniana azy - Teny mahazo an'i Sidona. |
Toko 29
| Teny marin'Andriamanitra mamely an'i Ejipta - Fanoharana ny amin'ny mamba sy fampiharana an'izany. |
Toko 30
| Faminaniana mamely an'i Ejipta - Ny loza hanjo azy - Tapaky ny mpanjakan'i Babilona ny sandrin'i Faraona. |
Toko 31
| Faminaniana mamely an'i Ejipta - Fanoharana amin'ny Sedera. |
Toko 32
| Fitomaniana an'i Faraona - Fivarinany any amin'ny seoly. |
Toko 33
| Fiovan'endriky ny faminanian'i Ezekiela - Voatendry ho mpitily eo amin'ny fireneny izy - Tsy tokony hanary toky ny lasan-ko babo, fa hanao izay hahamendrika azy hahazo famonjena, amin'ny fibebahany - Filazana fa afaka Jerosalema - Tsy ho an'izay tafajanona any Palestina ny famonjena - Tsy ampy ny mihaino fotsiny ny faminaniana, fa tokony hanaraka izay asainy hatao. |
Toko 34
| Ny mpiandry ondry mahatoky, Davida vaovao - Ny hanjo ny mpiandry ondry ratsy fanahy - Andriamanitra mihitsy no hiandraikitra ny fiandrasana ny ondriny; hesoriny hiala ny ratsy amin'ireo - Fahatongavan'ilay Davida vaovao; miadana sy be voninahitra ny fanjakany. |
Toko 35
| Ny faharavan'i Edoma - Fanamelohana an'i Edoma - Antony voalohany anamelohana azy, ny fahalozany tamin'Israely - Antony faharoa, ny fitsiriritany ny tanin'Israely. |
Toko 36
| Tafaverina amin'ny taniny Israely - Ny anton'ny famonjen'Andriamanitra azy: ho voninahitry ny anarako, hoy izy - Ny fandrosoan'ny fanjakana vaovao. |
Toko 37
| Fahitana ny taola-maina nahazo aina, fanazavana ny fahitana - Fanakambanana an'Israely ho fanjakana iray, anjakan'i Davida vaovao. |
Toko 38
| Ny tafik'i Goga - Fahatongavany eo amin'ny tanin'Israely, ny fahareseny - Fahatezeran'Andriamanitra - Famaizana. |
Toko 39
| Faharesen'i Goga - Ny babo; ny fandevenana ny maty; ny voninahitr'Iaveh niseho miharihary tamin'ny nataony ho an'ny vahoakany. |
Toko 40
| Ny tempoly vaovao - Nentina am-panahy ho any Jerosalema ny mpaminany - Ny manda ivelan'ny tempoly - Ny vavahady atsinanana - Ny kianja ivelany - Ireo vavahadin'ny tempoly - Ny latabatra amam-panaka fanaovan-tsorona. |
Toko 41
| Filazana ny amin'ny tempoly - ny fitoerana masina, ny masina indrindra, ny trano hafa anilany - Ny fandresena azy. |
Toko 42
| Filazana ny momba ny tempoly. |
Toko 43
| Tonga ao amin'ny tempoliny indray Iaveh - Ny momban'ny otely. |
Toko 44
| Ny olona ao amin'ny fitoerana masina - Ny mpanapaka; ny hafa firenena; ny levita; ny mpisorona, ny adidin'izy ireo, ny anjarany. |
Toko 45
| Ny fanatitra - Zara-tany voatokana ho an'ny tempoly sy ny mpisorona ary ny mpanapaka - Ampahafolon-karena manokana aloan'ny mpino - Ny fombam-pivavahana fanao amin'ny fety. |
Toko 46
| Ny amin'ny fety sy ny sorona. |
Toko 47
| Ny Tany-Masina vaovao. Ny rano mivoaka avy ao amin'ny tempoly - Ny faritry ny Tany-Masina vaovao - Fizarana azy amin'ny isam-poko sy ny isam-pianakaviana. |
Toko 48
| Ny anjara tany ho an'ny fokon'Israely avy, sy ho an'ny Levita - Ny tanàna, ny foko sasany, ny renivohitra. |