Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

TokoVotoatiny
Toko 1 Lohateny - Fiantsoana an'i Jeremia ho mpaminany.
Toko 2 Ny fivadihan'Israely miolotra amin'ny tsy fivadihan'Andriamanitra - Tsara ny niandohan'Israely, ka nankasitrahan'Iaveh izy, kanjo nivadika nanompo sampy izy tatý aoriana, ka hatolotra amin'ny firenena; latsa-paka sy tsy misy hialany tsiny ny fahotany; tsy misy famelan-keloka ho azy intsony.
Toko 3 Ny fanenenana no ahazoana famelana.
Toko 4 Ny tena fibebahana marina - Fanafihan'ny avy any ivelany - Filazana mahonena ny fitsaran'Andriamanitra; akaiky ny fahavalo; tonga avy any an-tendrombohitr'i Efraima izy: horavana Jodà, nefa tsy hofongorana akory.
Toko 5 Fahasimbana amam-pikorontanana mahazo an'i Jerosalema.
Toko 6 Ny famalian'Andriamanitra - Fanehoana ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema - Ny hamafin'ny fon'ny olona no nahatonga izany loza izany - Fanatanterahana ny fanamelohana.
Toko 7 Fiankinana tsy misy antony, amin'ny tempoly sy ny sorona - Tsinin-dry zareo mba tonga ao an-tempoly ihany - Aoka ny mpaminany tsy hifona ho an'ny olona intsony - Lavin'Andriamanitra ny sorona voaloton'ny fahotana - Antomotra ny famaizana.
Toko 8 Fanomezan-tsiny sy fandrahonana indray.
Toko 9 Fanomezan-tsiny sy fandrahonana (tohiny).
Toko 10 Iaveh sy ny sampy - Mihaiky fa mendrika ho sazina Jerosalema.
Toko 11 Nivadi-panekena - Ny mpaminany enjehin'ireo miara-monina aminy.
Toko 12 Nahoana ny ratsy fanahy no ambinina? - Ny fandravana an'Israely.
Toko 13 Haetry ny avonavon'i Jodà - Fahasimbana amam-pahajamban'i Jodà, oharina amin'ny fehin-kibo, siny - Fananarana sy fandrahonana.
Toko 14 Ny amin'ny fahamainan'ny tany fatratra - Mifona intelo ho an'ny iray firenena aminy ny mpaminany - Tsy azo ifonana Andriamanitra fa efa tapaka ny hamaizana ny vahoaka.
Toko 15 Tsy hamindra fo Andriamanitra - Fitarainan'ny mpaminany noho ny fanenjehan'ny olona azy.
Toko 16 Ny tsy fanambadian'ny mpaminany sy ny anton'izany; tokony hihataka amin'ny fety amam-pisaonan'ny firenena meloka sy voaheloka izy - Ho mafy ny famaizana, nefa hombam-pamonjena miharihary.
Toko 17 Ny sazy hafitsok'Andriamanitra an'Israely - Jeremia mangata-bonjy - Ny amin'ny fankamamiana ny sabata.
Toko 18 Ny vilany tanimanga - Ny amin'ny fitondran'Andriamanitra ny olona - Ny fihodinan'ny vahoaka, sy ny fanasaziana azy - Firaisan-tetika hamely an'i Jeremia indray.
Toko 19 Ny siny tany novakina.
Toko 20 Fampijaliana an'i Jeremia - Fitarainana sy fitokiany an'Andriamanitra.
Toko 21 Irak'i Sedesiasa tany amin'i Jeremia - Filazana ny hahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema no navalin'ny mpaminany.
Toko 22 Mamely ny taranak'andrianan'i Jodà - Teny fandrahonana ny mpanjakan'i Jodà, Joakaza, Joakima, Jekoniasa, Sedesiasa.
Toko 23 Ny mpiandry ondry ratsy - Ny mpanjaka Mesia - Ny mpitondra ratsy sy ny mpaminany sandoka.
Toko 24 Ny aviavy roa harona famantarana ny zavatra ho avy.
Toko 25 Fanamelohan'Andriamanitra an'i Jodà - Fanamelohana ny firenena.
Toko 26 Adin'i Jeremia sy ny mpisorona amam-paminany sandoka - Ny mpanapaka sy ny loholona miaro an'i Jeremia.
Toko 27 Adin'i Jeremia sy ireo mpisorona amam-paminany sandoka - Famantaran'ny jioga - Fanirahana ho amin'ireo mpanjaka manodidina, hanekeny an'i Nabokodonozora - Filazana torak'izany tamin'i Sedesiasa koa sy tamin'ny mpisorona mbamin'ny vahoaka.
Toko 28 Adin'i Jeremia tamin'ny mpisorona amam-paminany - Ny amin'i Hananiasa.
Toko 29 Taratasy nampitondrain'i Jeremia tamin'ireo babo voalohany - Torohevitra ho an'ny babo - Fitenenana mafy an'ireo mpaminany sandoka roa lahy - Faminaniana mamely an'i Semeiasa.
Toko 30 Famonjena sy voninahitra ho an'Israely any aoriana.
Toko 31 Ny fodiana ho any Jerosalema - Ny vahoaka vaovao.
Toko 32 Ny fividianana ny tany tao Anatota, famantarana ny hiverenana avy any amin'ny fahababoana - Nividy tany tao Anatota Jeremia, araka ny didin'Andriamanitra - Vavaka nataon'ny mpaminany mba hahalala ny hevitr'izany famantarana izany - Ny navalin'ny Tompo azy.
Toko 33 Fanamafisana ny teny fampanantenana - Famonjena - Fanavaozana ny tany amam-pirenena, ny fanjakana amam-pisoronana, ny soa nampanantenaina an'i Davida sy levì, ary ny firenena manontolo.
Toko 34 Filazana ny fandoroana ny tanàna sy ny fitondrana an'i Sedesiasa ho babo - Tsy rariny natao tamin'ny andevo - Famaizana hanjo ny tompon'ireo.
Toko 35 Ny amin'ny Rekabita - Nasain'Andriamanitra nomen'ny mpaminany divay ny Rekabita, tsy nety nisotro anefa ireo fa noraran'ny razambeny tsy hisotro divay izy - Fampitahana izany amin'ny fivadihan'i Jodà amin'Iaveh - Soa nampanantenain'Iaveh an'ireo Rekabita.
Toko 36 Ny nandoroan'i Joakima ny horonan-taratasy misy ny faminanian'i Jeremia - Notononin'i Jeremia tamin'i Baròka ny faminaniany, hosoratany - Dia novakin'i Baròka tao amin'ny tempoly izany - Fa nasain'i Joakima nodorana ny taratasy - Nefa nasain'Andriamanitra nataon'i Jeremia fanindroany indray.
Toko 37 Jeremia tao an-tranomaizina - Irak'i Sedesiasa sy ny navalin'i Jeremia - Ny nisamborana ity mpaminany - Ny nataon'ny mpanjaka ho azy.
Toko 38 Ny nanaovana an'i Jeremia tao an-davaka famorian-drano - Ampangain'ny loholona Jeremia, dia alatsaka ao an-davaka - Manalalana hanafaka azy, Abdemeleka - Resak'i Jeremia amin'ny mpanjaka.
Toko 39 Ny nahafahan'i Jerosalema - Jerosalema teo an-tànan'ny Kaldeana - Ny nanafahana an'i Jeremia - Fampanantenana natao tamin'i Abdemeleka.
Toko 40 Ny nihaonan'i Jeremia sy Nabozardana - Ny namonoana an'i Godoliasa.
Toko 41 Ny namonoana an'i Godoliasa.
Toko 42 Ny vahoaka mandositra mankany Ejipta.
Toko 43 Ny nankanesan'ny Jody any Ejipta - Faminaniana momba ny hahalasanan'i Nabokodonozora ny tany Ejipta.
Toko 44 Fetin-tsampy tany Ejipta - Anatra farany nataon'i Jeremia - Loza hanjo ny Jody any Ejipta raha tsy miala amin'ny fanompoan-tsampy izy - Valy an'avonavona nataon'ny Jody - Ny navalin'i Jeremia indray - Filazana indray ny loza hanjo ny Jody manompo sampy.
Toko 45 Fampanantenana soa an'i Baròka.
Toko 46 Faminaniana voalohany ny amin'i Ejipta: Ady ao Karkemisa: fiomanana ho amin'ny ady; resy ny tafiky ny Ejipsiana - Faminaniana faharoa - Fanafihan'ny Kaldeana an'i Ejipta: fihantsian'ady - Fanatanterahana - Fampiononana an'Israely.
Toko 47 Ny Filistina.
Toko 48 Ny Moabita - Ny haben'ny loza hanjo an'i Moaba - Fifanalaviran'ny fietreny sy ny fahefan'izany firenena izany taloha - Ny avonavon'i Moaba izay antony namelezana azy - Fitarainan'ity mpaminany, noho izany fandravana izany - Tsy azo ihilanana anefa ny anjaran'i Moaba - Fampanantenana ny fiverenana.
Toko 49 Faminaniana mamely ny Ammonita, ny Edomita, Damasy, ny Arabo, Elama.
Toko 50 Babilona.
Toko 51 Teny mamely an'i Babilona.
Toko 52 Ny nahafahana an'i Jerosalema.