Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

TokoVotoatiny
Toko 1 Fitsarana an'i Jodà: Ny heloka nataony: ny loza efa nanjo azy - Ny fivavahana ivelany fotsiny ihany - Ny fanadiovana an'i Jerosalema - Ny hanjo ny mpikomy.
Toko 2 Jerosalema ho foiben'ny firenena - Haetry amin'ny andron'ny fitsarana ny mpiavonavona.
Toko 3 Fikorontanana ao Jerosalema.
Toko 4 Fampanantenana momba ny Mesia.
Toko 5 Fanoharana amin'ny tanimboaloboka - Fandrahonana ny tsy mahay mankasitraka - Famaizana (24-30).
Toko 6 Fiantsoana an'Izaia, hanao ny raharahan'ny mpaminany.
Toko 7 Izaia sy Akaza - Aoka ny mpanjaka sy ny tandapa tsy hatahotra eo anoloan'ny Siriana, fa hatoky an'Iaveh - Ny famantarana alaina amin'ny virjiny - Loza nateraky ny fahavalo nananika ny tany.
Toko 8 Famantarana roa - Teny ampandrenesina ny vahoaka ny amin'ny hananihan'ny Asiriana an'Israely - Andriamanitra no itokiana, fa izy no mahay miary ny vahoakany - Loza no hanjo an'izay tsy matoky azy.
Toko 9 Ny andrian-ko avy - Fitsarana an'i Samaria sy ny fanjakan'i Efraima.
Toko 10 Ny sazy mafy - Ny fiavonavonan'i Asora mampahatezitra an'Andriamanitra - Ka aetriny sy kapohany.
Toko 11 Ny mpanjaka ho avy: ny tenany - Ny soa avy amin'ny fitondrany - Fanangonana an'Israely indray.
Toko 12 Hiran'ny voavotra.
Toko 13 Faminaniana mamely an'i Babilona - Ny Meda no alefan'Andriamanitra hamely an'i Babilona - Ny fandravany azy.
Toko 14 Fahafahan'Israely - Ny mpanjakan'i Babilona any amin'ny seoly - Faharavan'i Asiria sy ny Filistina.
Toko 15 Faminaniana ny loza hanjo an'i Moaba.
Toko 16 Faminaniana ny loza hanjo an'i Moaba.
Toko 17 Faminaniana ny loza hanjo an'i Damasa sy Samaria, ary ny Asiriana.
Toko 18 Faminaniana ny hanjo an'i Etiopia.
Toko 19 Faminaniana ny hanjo an'i Ejipta - Fibebahany.
Toko 20 Ho foana ny fanantenana miankina amin'i Ejipta sy Etiopia.
Toko 21 Faminaniana ny hanjo an'i Babilona, sy an'i Edoma, sy ny Arabo.
Toko 22 Ny fifaliam-pon'i Jerosalema, arahim-pahoriana rahefa tonga ny fahavalo - Tsy Andriamanitra no niankinany; hadisoany lehibe izany - Ny amin'i Sobnà sy Eliasima.
Toko 23 Faminaniana ny hanjo an'i Tira - Ny faharavany, ny fananganana azy, ny fibebahany.
Toko 24 Ny amin'ny farandro - Fandravana an'izao tontolo izao - Fitsarana.
Toko 25 Hiran'ny voavotra - Fanasan'ny voafidy - Faharavan'i Moaba.
Toko 26 Hira Fisaorana.
Toko 27 Ny famalian'Iaveh ny fahavalony - Ny fikarakarany ny voalobony - Ny famonjena an'Israely.
Toko 28 Fitsarana an'i Samaria sy Jerosalema - Faharavan'i Samaria; voninahitry ny olona tsy mivadika - Hadisoan-kevitry ny lehibe miankina amin'ny herin'ny olombelona - Andriamanitra irery no mahavonjy - Andriamanitra mitondra ny olona amim-pahendrena.
Toko 29 Fahirano sy fahafahan'i Ariela - Fahajamban'ny vahoaka avy amin'ny haratsian'ny lehibe, dia hosazina izy; nefa mbola ho voavonjy ihany ny olona tso-po.
Toko 30 Loza hafa koa hanjo an'izay mankasitraka ny fihavanana amin'ny Ejipsiana - Tsy mahefa na inona na inona izany, fa ny fitokiana ihany no mahavonjy; famaizana an'ireo nitoky tamin'ny herin'ny olombelona - Fanasoavana an'i Jodà, any aoriana - Fandresena faingana an'i Asora.
Toko 31 Ratsy ny miankina amin'ny Ejipsiana - Andriamanitra ihany no mahavonjy - Fandresena an'i Asora.
Toko 32 Fanjakan'ny fahamarinana - Fanjakan'ny hadalana - Fananarana ny vehivavy mitsikamokamo toetra - Fanjakan'ny fahamarinana.
Toko 33 Fandravana ny Asiriana - Fanafahana an'i Jerosalema.
Toko 34 Fitsarana ny firenen-tsamihafa tandintomin'i Edoma.
Toko 35 Famonjena sy voninahitr'Israely.
Toko 36 Fanafihan'i Senakeriba an'i Jerosalema.
Toko 37 Ny namonjen'Andriamanitra an'i Jerosalema, tamin'i Senakeriba sy ny Asiriana.
Toko 38 Ny nahararian'i Ezekiasa sy ny nahasitranany; hira fisaorana.
Toko 39 Irak'i Merodaka-Baladana - Filazana ny hahababoana.
Toko 40 Hody famonjena be voninahitra ny fahoriana ankehitriny, famonjena azo antoka, fa Andriamanitra lehibe tsy misy fetra, nampanantena - Tsinontsinona eo anatrehany, ireo andriamanitry ny mpanompo sampy - Aoka hionom-po Israely.
Toko 41 Iaveh hanangana Mpamonjy - Hovonjena Israely; hangaihay ny fahavalony - Ny andriamanitra tsy izy tsy mahefa na mahalaza mialoha, na inona na inona.
Toko 42 Ilay mpanompon'Iaveh, alalam-pamonjen'Israely sy fahazavan'ny firenena - Hira fankalazana an'Iaveh - Ny asa hataony - Fahajamban'Israely - Arovan'Iaveh ihany anefa izy.
Toko 43 Hovonjen'Iaveh Israely, hahatanterahan'ny faminaniany.
Toko 44 Hanasoa an'Israely mpanompony Iaveh - Ny fahadalan'ny fanompoan-tsampy - Famonjena an'Israely - Sirosy.
Toko 45 Sirosy nofidin'Iaveh hanangana an'i Jerosalema sy ny Tempoly indray, mba ho fantatra sy hankalazaina amin'ny tany rehetra ny anaran'Iaveh, ary mba ho voavonjy Israely sy hibebahan'ny firenena rehetra.
Toko 46 Ny naha-samihafa ny sampy sy Andriamanitra.
Toko 47 Rava Babilona.
Toko 48 Notanterahin'Iaveh ny faminaniana taloha, ary hotanterahany ny vaovao koa mba ho voninahitry ny anarany - Ny fialana any Babilona.
Toko 49 Ilay Mpanompon'Iaveh sy ny asany ankapobe - Fanafahana ny lasan-ko babo - Haorina indray Diona; teny telo avy amin'Andriamanitra, antoky ny famonjena.
Toko 50 Ny fahamarinan'ilay Mpanompon'Andriamanitra amin'ny fanatanterahana ny raharaha nanirahana azy - Famporisihana sy fandrahonana.
Toko 51 Tsy ho ela ny famonjena, ary haharitra mandrakizay - Aza atahorana foana ny olona mety maty - Ny loza nanjo an'i Siona dia hatsingerin'Iaveh amin'ny mpampahory azy.
Toko 52 Vaovao mahafaly: fahafahana amin'ny fahababoana any Babilona.
Toko 53 Ny fietrena sy ny fijaliana amam-pahafatesan'ny mpanompn'Iaveh - Valin'ny fahafoizany tena.
Toko 54 Voninahitr'i Siona vaovao - Fihamaroan'ny zanany, mahatalanjona - Famirapiratry ny mandany - Fiadanan'ny mponina ao mandrakizay.
Toko 55 Fiantsoana hanararaotra ny famonjena atolotra, omena maimaim-poana ny olona rehetra, sady efa akaiky dia akaiky - Tsy maintsy ho tanteraka ny tenin'Andriamanitra.
Toko 56 Ny tranon'Andriamanitra mivoha ho an'ny olona rehetra - Ny lehibe amin'Israely manaram-po amin'izay mahafinaritra azy.
Toko 57 Izay manaraka ny fanompoan-tsampy dia hosazin'Andriamanitra - Fa izay matoky azy kosa hovaliany soa.
Toko 58 Sitrak'Andriamanitra ny fifadian-kanina - Ny sabata.
Toko 59 Ny fibebahan'Israely no hahazoany famonjena - Manam-pahefana hamonjy Andriamanitra, fa sakanan'ny tsy fahamarinan'Israely - Miaiky ny fahotany ny vahoaka - Ka omen'Andriamanitra toky fa ny fahavalony hofaiziny; ary izy hikambana amin'izy ireo amin'ny fanekena vaovao indray.
Toko 60 Ny voninahitr'i Jerosalema vaovao - Ny firenena rehetra mitondra fanatitra ho azy, sy manatitra ny zanany eo aminy; midodododo hanamboatra sy handravaka azy, izy ireo - Fonenan'ny fahamasinana izy, ary arovan'Iaveh.
Toko 61 Ilay Mpanompon'Iaveh, iraka sy foto-pamonjena - Milaza azy ho Iraka sy Foto-pamonjena, ilay Mpanompon'Andriamanitra - Hatsangana sy ho be voninahitra, mihoatra noho ny nanetrena azy Siona - Fihavanana amin'Andriamanitra sy fiarovana azo aminy.
Toko 62 Ny famonjena nangatahana sy azo - Aoka ho tonga amin'i Jerosalema ny famonjena - Aoka ny mpiaro an'i Jerosalema hangataka an'Iaveh, hanatanteraka ny fampanantenany - Aoka hionona ny olona rehetra, fa tonga ny Mpamonjy.
Toko 63 Famaliana an'i Edoma - Vavaka ataon'ny mpaminany ho an'Israely.
Toko 64 Vavaka ataon'ny mpaminany.
Toko 65 Ny navalin'Iaveh ny vavaky ny vahoakany - Hafoin'Andriamanitra ny Israelita mpiodina - Fa hovonjeny kosa ireo tsy mivadika - Samy hahazo ny tandrifin'azy avy - Famisavisana ny filaminan'ny zavatra, izay hiadanan'ny mpanompon'Andriamanitra lavorary.
Toko 66 Jerosalema vaovao; tsy mahazo famonjena ny mankahala fivavahana - Ny Jody tsy nivadika nandresy faingana ny fahavalony; fahaterahan'i Jerosalema vaovao - Fitsarana mafy ny firenena, fa indrindra ny Jody nivadika; fivorian'ny voafidy avy amin'ny firenena rehetra, ao Jerosalema.