Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

TokoVotoatiny
Toko 1 Ny fahasambaran'ny olo-marina sy ny fijalian'ny mpanota.
Toko 2 Ny fandresen'ilay voahosotr'Iaveh.
Toko 3 Ny fahatokiana an'Andriamanitra raha misy fanenjehana.
Toko 4 Ny hafaliana amam-piadanan'izay matoky an'Andriamanitra.
Toko 5 Fivavaky ny marina manohitra ny tsy mpivavaka.
Toko 6 Ny fanahy mibebaka, mangataka ny famindram-pon'Andriamanitra.
Toko 7 Fiantsoana an'Andriamanitra hiaro ny tsy manan-tsiny, sy hanameloka ny ratsy fanahy.
Toko 8 Voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny asany.
Toko 9 Fiderana an'Andriamanitra izay manary ny ratsy fanahy, sy miaro ny mahantra.
Toko 10 --
Toko 11 Mandry fahizay ny fanahy matoky an'Andriamanitra.
Toko 12 Fitokiana amin'Andriamanitra na dia eo afovoan'ny ratsy aza.
Toko 13 Fitarainan'ny olo-marina tra-pahoriana.
Toko 14 Ny ankasomparan'ny mpanota sy ny fanasaziana azy.
Toko 15 Ny hatsaram-panahy ahazoana manatona an'Andriamanitra.
Toko 16 Hasambaran'ny marina izay nifidy an'Andriamanitra ho anjarany.
Toko 17 Fangatahan'ny olo-marina ho afaka amin'ny fahavalony.
Toko 18 Fisaorana an'Andriamanitra noho ny fanafahany tamin'ny fahavalo.
Toko 19 Ny voninahitr'Andriamanitra hita amin'ny asany - Ny fahalavorarian'ny lalàny.
Toko 20 Fivavahana ho an'ny mpanjaka ndeha hiantafika.
Toko 21 Fisaorana rahefa avy nandresy.
Toko 22 Fitarainan'ny marina; ny fahatokiany - Filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra.
Toko 23 Ny mpiandry ondry tsara.
Toko 24 Ahoana no fanatonana an'Iaveh?
Toko 25 Fangatahana ny famelan-keloka amam-piarovan'Andriamanitra.
Toko 26 Fiantsoan'ny tsy manan-tsiny ny fitsaran'Andriamanitra.
Toko 27 Fahatokiana an'Andriamanitra - Fangatahana.
Toko 28 Fangatahana fahafahana amin'ny fahavalo.
Toko 29 Ny halehiben'Iaveh miseho amin'ny ranonoram-baratra.
Toko 30 Fisaorana noho ny nahafahana tamin'ny loza nanjò.
Toko 31 Fitarainan'ny tra-pahoriana.
Toko 32 Ny hasambaran'izay voavela heloka.
Toko 33 Fiderana an'Iaveh mpanohana izay miraiki-po aminy.
Toko 34 Tohan'ny marina Iaveh.
Toko 35 Fiantsoana an'Andriamanitra hamonjy amin'ny fahavalo.
Toko 36 Ny haratsian'ny mpanota; hatsaram-pon'Andriamanitra ho an'ny olo-marina.
Toko 37 Ny tsy fitovian'ny anjaran'ny marina sy ny meloka.
Toko 38 Fiantsoan'ny mpanota ny famindram-pon'Andriamanitra.
Toko 39 Ny hatsinontsinon'ny ain'olombelona - Fangatahana famelan-keloka amam-piarovana amin'Andriamanitra.
Toko 40 Fisaorana, fanoloran-tena amin'ny fo marina tsy mivadika.
Toko 41 Sambatra izay olona be antra - Fitarainan'ny mpanoratra Salamo, ankahalain'ny fahavalony, sy avadiky ny sakaizany.
Toko 42 Faniriana ny ho eo amin'ny tempoly.
Toko 43 -
Toko 44 Vavaka amin'Andriamanitra fatra-pitia ny vahoakany fahiny; hampody azy avy any am-paravazan-tany misy azy ankehitriny.
Toko 45 Fankalazana ny fampakaram-badin'ny mpanjaka.
Toko 46 Fitokian'Israely ny fiarovan'Andriamanitra.
Toko 47 Tokony hidera an'Iaveh Andriamanitry ny tany rehetra.
Toko 48 Fiderana an'Andriamanitra ao amin'ny tendrombohiny masina.
Toko 49 Aoka ny marina tsy ho tafintohina amin'ny fahitana ny ratsy fanahy ambinina.
Toko 50 Fivavahana ankasitrahan'Andriamanitra.
Toko 51 Fifonan'ny fanahy mibebaka.
Toko 52 Matoky foana ny ratsy fanahy.
Toko 53 Hadalana aman-tsazin'ny ratsy fanahy.
Toko 54 Fiantsoana vonjy amin'Andriamanitra, mba tsy ho voan'ny fandriky ny fahavalo.
Toko 55 Aoka ho menatra ny fahavalo aman-tsakaiza manody.
Toko 56 Fitokian'ny tra-pahoriana.
Toko 57 Fangatahana fiarovana amin'ny fahavalo.
Toko 58 Mamely ny mpitsara tsy marina.
Toko 59 Fangatahana famaizana ny fahavalony.
Toko 60 Fivavahana rahefa resy.
Toko 61 Fivavahan'ny mpanjaka voasesi-tany.
Toko 62 Mandry fahizay ny fanahy tsy mivadika fa mametraka ny fitokiany amin'Andriamanitra.
Toko 63 Fanalana alahelo ny voasesi-tany.
Toko 64 Vavaka amim-pitokiana raha tratry ny fanendrikendrehana.
Toko 65 fiderana an'Andriamanitra noho ny soa be nataony tamin'ny olona.
Toko 66 Hira fisaorana, aorian'ny fandresena lehibe.
Toko 67 Hotahian'Andriamanitra anie ny vahoakany ho fampianarana ny firenena.
Toko 68 Hira fandresena, fankalazana ny fitondran'Andriamanitra an'Israely sy ny hatsaram-pony aminy.
Toko 69 Enjehina noho ny amin'Andriamanitra ny marina ka mangataka amin'Andriamanitra, sy manome toky hidera azy.
Toko 70 Vavaka fangatahana vonjy amin'Andriamanitra raha tra-pahoriana.
Toko 71 Vavaka raha misy mpanenjika.
Toko 72 Fahamarinana, fiadanana, ary fandrosoan'ny fanjakan'ny Mesia.
Toko 73 Ny amin'ny fanambinana ny ratsy fanahy.
Toko 74 Aoka hangoraka ny vahoakany sy ny tempoliny, Andriamanitra.
Toko 75 Fiderana an'Andriamanitra, noho izy nampanantena fa hamonjy ny vahoakany, sy hanao fitsarana ny ratsy fanahy.
Toko 76 Hira fisaorana, rehefa avy nandresy.
Toko 77 Azom-pahoriana lehibe ny mpamorona Salamo ka manamafy ny fitokiany amin'ny fampahatsiarovana ny zava-mahagaga nataon'Andriamanitra tamin'ny nivoahana tany Ejipta.
Toko 78 Filazana ny hatsaram-pon'Andriamanitra tamin'Israely araka ny tantarany - Ny tsy fahaiza-mankasitraka nasehon'ny vahoaka voafidy.
Toko 79 Andriamanitra anie hamindra fo amin'ny tempoliny masina.
Toko 80 Vavaka ho an'ny voababo - Hamindra fo amin'ny voababony tratry ny fandrobana anie Andriamanitra.
Toko 81 Fihirana hatao amin'ny fetin'ny Tabernakla.
Toko 82 Ny mpitsara tsy marina - Ny sazin'izy ireo.
Toko 83 Fangatahana an'Iaveh, hanao ireo fahagagana nataony fahiny indray, hamonjeny an'i Jodà asian'ny firenena maro.
Toko 84 Hiran'ny mpivahiny: Mahate-ho tia loatra ny tabernaklao, ry Andriamanitra!
Toko 85 Ny nataon'Iaveh tamin'Israely taloha - Ny mbola ho toetr'Israely amin'ny ho avy.
Toko 86 Ry Andriamanitra Avo Indrindra ô, avia hamonjy ny mpanomponao - Hianao anie no hitari-dàlana azy, sy hanafaka azy amin'ny fahavalony.
Toko 87 Siona foiben-toeran'ny vahoaka amin'ny ho avy.
Toko 88 Vavaky ny tra-pahoriana, nilaozan'ny sakaizany.
Toko 89 Aoka hovonjen'Iaveh ny vahoakany araka ny fampanantenany.
Toko 90 Ny olona mety maty sy ory eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay.
Toko 91 Raha amintsika Andriamanitra, iza no hahatohitra antsika?
Toko 92 Mahagaga ny asan'Andriamanitra: miaro ny marina izy, ary manary ny ratsy fanahy.
Toko 93 Ny fanjakan'Iaveh, Tompo Mpahary izao rehetra izao.
Toko 94 Fitarainana noho ny fihinanam-bahoaka aman-tsy fahamarinan'ny mpitondra sy mpitsara.
Toko 95 Fiantsoana hidera sy hanaiky an'Andriamanitra.
Toko 96 Fiderana sy fanomezam-boninahitra miara-be an'Iaveh, izay ho avy hitsara ny tany.
Toko 97 Fandresen'Iaveh ny sampy - Fiarovany ny mpanompony.
Toko 98 Fanjakan'Iaveh amin'izao tontolo izao - Fiantsoana hanome voninahitra azy - Fihaviany hitsara ny tany.
Toko 99 Ny fanjakan'Iaveh - Mamaly izay miantso azy izy.
Toko 100 Miderà an'Iaveh, fa mendrika azy ny fiderana rehetra.
Toko 101 Toetry ny mpanompon'Iaveh mahafatra-po azy.
Toko 102 Vavaka sy fanantenan'Israely tra-pahoriana.
Toko 103 Fiderana an'Andriamanitra noho ny hatsaram-pony.
Toko 104 Hira ho an'ny Mpahary.
Toko 105 Soa nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoaka hebrio hatramin'ny andron'i Abrahama ka hatramin'ny nitoerany tany amin'ny tany nampanantenaina.
Toko 106 Ny fivadihan'Israely sy ny famindram-pon'Iaveh!
Toko 107 Fitondran'Andriamanitra manafaka ny tsara fanahy amin'ny loza manjo azy.
Toko 108 Hira fisaorana sy fangatahana.
Toko 109 Vavak'izay enjehina, sy ozona ho an'ny fahavalo.
Toko 110 Fanjakana amam-pisoronan'ny Mesia.
Toko 111 Ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoakany. Aleloia!
Toko 112 Fahasambaran'ny olo-marina. Aleloia!
Toko 113 Fiderana an'Iaveh mpiaro ny tra-pahoriana. Aleloia!
Toko 114 Ny fahagagana tamin'ny nivoahana tany Ejipta, sy tamin'ny nidirana amin'ny tany Kanaana.
Toko 115 Ny herin'Iaveh, sy ny mahazava-poana ny sampy - Ny fitokian'Israely ny Andriamaniny.
Toko 116 Hira fisaorana; fa afaka tamin'ny loza lehibe.
Toko 117 Aoka hanome voninahitra an'Iaveh ny firenena.
Toko 118 Hira fisaorana, fanao amin'ny fombam-pivavahana mandeha.
Toko 119 Fiderana ny lalàn'Iaveh.
Toko 120 Fitarainan'ny mpanompon'Iaveh, hodidinim-pahavalo.
Toko 121 Ny mpiaro an'Israely.
Toko 122 Ny fahatongavana ao amin'ny Tanàna masina.
Toko 123 Fitokiana amam-pangatahana raha haratsian'ny fahavalo.
Toko 124 Hira fisaorana.
Toko 125 Ny herin'ny fitaovan'Andriamanitra.
Toko 126 Fifalian'ny tafaverina avy amin'ny tany fahababoana - Fifonana ho an'izay mbola babo.
Toko 127 Avy amin'Andriamanitra ny soa rehetra.
Toko 128 Tokan-trano sambatry ny mpino.
Toko 129 Fanozonana ny fahavalo.
Toko 130 Ao anatin'ny fahoriana mangidy indrindra.
Toko 131 Fanarahana ny fanetren-tena.
Toko 132 Fampanantenan'Iaveh tamin'i Davida, antoky ny toky amin'ny ho avy.
Toko 133 Mamy ny firaisan-toeran'ny mpirahalahy.
Toko 134 Fiantsoana ny mpisorona sy levita hidera an'Andriamanitra andro aman'alina.
Toko 135 Fiderana an'Andriamanitra - Ny asany mahagaga - Ny fiamboniany amin'ny sampy.
Toko 136 Litania fankalazana ny Mpahary sy Mpanao soa an'Israely.
Toko 137 Ny alahelon'ny voababo; fanozonana ny fahavalo.
Toko 138 Fihirana fisaorana - Hidera an'Iaveh ny mpanjaka rehetra amin'ny tany.
Toko 139 Fankalazana ny fahalalan'Andriamanitra tsy misy fetra - Nahoana no fantatr'Andriamanitra, nefa avelany haharitra ihany ny tsy marina?
Toko 140 Fivavahana raha enjehina.
Toko 141 Fivavahana raha enjehina.
Toko 142 Fivavahana raha tra-pahoriana.
Toko 143 Fivavahana hafa raha tra-pahoriana.
Toko 144 Efa namonjy ny vahoakany tamin'ny fahavalony Iaveh ka angatahina hanome azy fandresena tanteraka - Ny hasambarana amam-panambinana amin'ny andro iadanana.
Toko 145 Hira fankalazana ny Mpahary noho ny hery amam-pamindram-pony tsy misy fetra.
Toko 146 Fiderana an'Andriamanitra sy fitokiana ny heriny amam-pamindram-pony.
Toko 147 Fiderana an'Iaveh fa ny heriny amam-pamindram-pony miharihary amin'ny zavatra rehetra sy ny tantaran'Israely.
Toko 148 Hiara-midera an'Andriamanitra anie ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany.
Toko 149 Hira fandresena rehefa avy nandresy.
Toko 150 Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny zava-maneno isan-karazany.